Bokin'ny Mpitsara 21:25
Tsy nisy mpanjaka teo amin’ ny Isiraely tamin’ izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In those days there was no king in Israel: every man did that which was right in his own eyes.
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 21
Cross References
Judges 17:6Tamin’ izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin’ ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.
Judges 18:7Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ ny tany na amin’ inona na amin’ inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’ olona akory.
Psalms 12:4Holevonin’ i Jehovah anie ny molotra mandrobo rehetra sy ny lela miteny avonavona,
Proverbs 14:12Misy lalana ataon’ ny olona ho mahitsy, Kanjo lalana mivarina any amin’ ny fahafatesana no iafarany.
Isaiah 53:6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’ i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Micah 2:1Lozan’ izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, Satria manan-kery ny tànany.