Bokin'ny Mpitsara 5:11
Lavitra ny feon’ ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin’ ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon’ i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin’ ny tany Isily; Tamin’ izany dia nidina ny olon’ i Jehovah ho any am-bavahady.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 5
Cross References
Genesis 26:20Ary niady tamin’ ny mpiandry ombin’ Isaka ny mpiandry omby tao Gerara ka nanao hoe: Anay ny rano; ary ny anaran’ ny lavaka fantsakana dia nataon’ Isaka hoe Eseka, satria nifanditra taminy izy ireo.
Deuteronomy 22:24dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin’ ny vadin’ ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Judges 5:8Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin’ izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin’ ny olona efatra alina tamin’ ny Isiraely?
1 Samuel 12:7Koa ankehitriny avia ianareo, fa hifandahatra aminareo eto anatrehan’ i Jehovah aho ny amin’ ny asa marina rehetra izay nataon’ i Jehovah taminareo sy ny razanareo.
Psalms 71:15Ny vavako hitory ny fahamarinanao sy ny famonjenao mandrakariva, fa tsy fantatro ny isany.
Isaiah 12:3Koa amin’ ny fifaliana no hantsakanareo rano amin’ ny loharanom-pamonjena.