Bokin'ny Mpitsara 6:15
Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin’ ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin’ ny ankohonan’ ny raiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 6
Cross References
Genesis 32:10Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr’ i Abrahama raiko, sady Andriamanitr’ Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin’ ny taninao sy any amin’ ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
Exodus 4:10Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
1 Samuel 9:21Dia namaly Saoly ka nanao hoe: Tsy Benjamita va aho, avy amin’ ilay kely indrindra amin’ ny firenen’ Isiraely? ary tsy kely indrindra va ny mpianakaviko eo amin’ ny mpianakavin’ ny firenen’ i Benjamina rehetra? ka nahoana no miteny amiko toy izany ianao?
Jeremiah 1:6Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
Micah 5:2Koa dia hatolony ireny, Ambara-pihavin’ ny fotoana hiterahan’ izay anankiray hiteraka; Ary izay sisa amin’ ny rahalahiny dia hiverina mbamin’ i ny Zanak’ Isiraely.
1 Corinthians 15:9Fa izaho dia ambany indrindra amin’ ny Apostoly ka tsy miendrika hatao hoe Apostoly, satria efa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra aho.