Filazantsara araka an'i Lioka 10:39
Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo anilan’ ny tongotry ny Tompo ka nihaino ny teniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And she had a sister called Mary, which also sat at Jesus’ feet, and heard his word.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Proverbs 8:34Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin’ ny tolam-baravarako.
Luke 8:35Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin’ i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan’ ny tongotr’ i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
John 12:3Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
1 Corinthians 7:32Fa tiako tsy ho maro ahina ianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an’ ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.