Filazantsara araka an'i Lioka 12:49
Tonga hanipy afo etỳ ambonin’ ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’ izany sahady?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I am come to send fire on the earth; and what will I if it be already kindled?
In Context
50Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterahany!
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 12
Cross References
Isaiah 11:4Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Malachi 3:2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ ny mpandrendrika sy ny savonin’ ny mpanasa lamba.
Matthew 3:10Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.
Luke 12:51Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana.
Luke 19:39Fa ny Fariseo sasany, izay teo amin’ ny vahoaka, nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, rarao ny mpianatrao.
John 11:8Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?