Filazantsara araka an'i Lioka 13:29
Ary ho tonga avy any atsinanana sy avy any andrefana ary avy any avaratra sy avy any atsimo ireny ka hipetraka hihinana eo amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Ary, indro, misy ny aoriana ho aloha, ary misy ny aloha ho aoriana.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Genesis 28:14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Isaiah 49:6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.
Isaiah 66:18Fa Izaho dia hamaly ny asany sy ny heviny, Ho avy ny hamoriana ny jentilisa rehetra sy ny samy hafa fiteny; Dia ho avy ireo ka hahita ny voninahitro.
Matthew 8:11Ary lazaiko aminareo fa maro ny avy any atsinanana sy any andrefana no ho tonga ka hipetraka hiara-mihinana amin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba any amin’ ny fanjakan’ ny lanitra;
Acts 28:28Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’ Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ ny jentilisa, ary izy hihaino azy.
Colossians 1:6izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’ izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’ Andriamanitra araka ny marina;