Filazantsara araka an'i Lioka 21:6
Ny amin’ ireo zavatra hitanareo ireo, dia ho avy ny andro, ka tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary nisy nilaza ny tempoly, fa voaravaka vato tsara sy fanatitra izy; fa hoy Jesosy:
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 21
Cross References
2 Chronicles 7:20dia hongotako amin’ ny tany izay nomeko anareo; ary hofongorako tsy ho eo imasoko ity trano nohamasiniko ho an’ ny anarako ity sady hataoko ho ohabolana sy ho ambentinteny any amin’ ny firenena rehetra.
Jeremiah 7:11Moa ataonareo ho zohy fieren’ ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
Jeremiah 26:9Nahoana ianao no naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah hoe: Ho tahaka an’ i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin’ i Jeremia tao an-tranon’ i Jehovah.
Lamentations 2:6Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon’ i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
Lamentations 5:18Noho ny amin’ ny tendrombohitra Ziona, izay efa lao sady ikarenjen’ ny amboahaolo.
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.