Filazantsara araka an'i Lioka 23:33
Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
32Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 23
Cross References
Deuteronomy 21:23dia tsy havela hiloaka alina eo amin’ ny hazo ny fatiny, fa tsy maintsy halevinao androtr’ iny ihany izy (fa voaozon’ Andriamanitra ny mihantona amin’ ny hazo); koa aza lotoina ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao.
Zechariah 12:10Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.
Matthew 26:2Fantatrareo fa raha afaka indroa andro, dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’ olona dia hatolotra hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
Mark 10:33ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;
Luke 24:7Ny Zanak’ olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ ny mpanota ka hohomboana amin’ ny hazo fijaliana ary hitsangana amin’ ny andro fahatelo.
John 12:33Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.