Filazantsara araka an'i Lioka 8:13
Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
Job 19:28Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
Proverbs 12:3Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fakan’ ny marina tsy mba hihetsika.
Isaiah 58:2Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro isan’ andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.
Hosea 6:4Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
Mark 4:16Ary tahaka izany koa, ireto no ilay voafafy teny amin’ ny tany marivo ambony vatolampy, dia izay mandre ny teny ka malaky mandray izany amin’ ny hafaliana;
Luke 22:31Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.