Filazantsara araka an'i Marka 12:5
Ary naniraka anankiray koa izy, fa io kosa indray dia novonoiny ho faty; ary maro koa no nirahiny, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny ho faty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And again he sent another; and him they killed, and many others; beating some, and killing some.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 12
Cross References
Jeremiah 7:25Hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razanareo avy tany amin’ ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan’ andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
Matthew 21:35Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny anankiray nokapohiny, ary ny anankiray novonoiny, ary ny anankiray notorahany vato.
Matthew 23:37Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
Luke 6:22Sambatra ianareo, raha halan’ ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin’ ny Zanak’ olona.