Filazantsara araka an'i Marka 15:26
Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN’ NY JIOSY.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the superscription of his accusation was written over, THE KING OF THE JEWS.
In Context
25Ary tamin’ ny ora fahatelo no nanomboany tamin’ ny hazo fijaliana.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 15
Cross References
Deuteronomy 23:5satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
Psalms 76:10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]
Isaiah 10:7Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin’ ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony.
Zechariah 9:9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.
Matthew 27:37Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
Luke 23:37sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.