Filazantsara araka an'i Marka 4:6
Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny; ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But when the sun was up, it was scorched; and because it had no root, it withered away.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 4
Cross References
Psalms 92:13Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy;
Isaiah 25:4Fa fiarovana mafy ho an’ ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ ny malahelo amin’ ny fahoriany, fierena amin’ ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
Jonah 4:8Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan’ i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
Colossians 2:7ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto amin’ ny fisaorana.
James 1:11Fa miposaka ny masoandro mbamin’ ny hainandro mahamay, dia mampahalazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny; dia toy izany koa no fahalazon’ ny manan-karena amin’ ny alehany.
Revelation 7:16Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory.