Filazantsara araka an'i Marka 9:37
Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy, fa Izay naniraka Ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Matthew 18:3ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra mihitsy ianareo.
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
Luke 10:16Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy; ary izay mandà anareo dia mandà Ahy; ary izay mandà Ahy dia mandà Izay naniraka Ahy.
John 10:30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
John 14:21Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.