Filazantsara araka an'i Marka 9:7
Ary nisy rahona niseho nanarona azy; ary dia nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no henoy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Fa tsy fantany izay havaliny, satria efa raiki-tahotra izy rehetra.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Exodus 24:16Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.
Deuteronomy 18:15Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo;
Psalms 2:7“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
Daniel 7:13Ary mbola nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
Matthew 17:5Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
Matthew 27:43natoky an’ Andriamanitra Izy, aoka Izy hamonjy Azy ankehitriny, raha ankasitrahany Izy, satria hoy Izy: Zanak’ Andriamanitra Aho.