Matthew 21:28
Fa ahoana kosa no hevitrareo? Nisy lehilahy nanana zanaka roa lahy; dia nankeo amin’ ny lahimatoa izy ka nanao hoe: Anaka, andeha miasa any amin’ ny tanim-boaloboko anio.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Matthew 17:25Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?
Matthew 20:5Ary nivoaka tamin’ ny ora fahenina sy fahasivy indray izy ka nanao toy izany koa.
Matthew 22:17Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara, sa tsia?
Luke 13:4Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
1 Corinthians 10:15Miteny toy ny amin’ ny olo-manan-tsaina aho; heveronareo izay lazaiko.