Filazantsara araka an'i Matio 21:3
Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’ izay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe:
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 21
Cross References
1 Kings 17:9Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman’ i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
Ezra 1:1Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
Ezra 7:27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Psalms 50:10Fa Ahy ny biby rehetra any an’ ala, sy ny biby fiompy arivoarivo eny an-tendrombohitra.
John 3:35Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
Acts 17:25sady tsy mba tompoin’ ny tànan’ olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon’ aina ary ny zavatra rehetra;