Bokin'i Nehemia 12:24
Ary ny lohan’ ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’ i Kadmiela, mbamin’ ny rahalahin’ ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 12
Cross References
Deuteronomy 33:1Ary izao no tso-drano nataon’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy.
1 Kings 17:24Ary hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’ Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’ i Jehovah aloaky ny vavanao.
1 Chronicles 23:1Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ ny Isiraely.
1 Chronicles 25:6Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
Ezra 2:40Ary ny Levita koa dia izao: Ny taranak’ i Jesoa sy Kadmiela, avy tamin’ ny taranak’ i Hodavia, dia efatra amby fito-polo.
Nehemiah 8:7Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.