Bokin'i Nehemia 2:13
Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, tandrifin’ ny loharanon’ ny dragona, sy tamin’ ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’ i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon’ ny afo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 1:3Ka hoy no navaliny ahy: Ny sisa tamin’ ny fahababoana izay any amin’ ny tany any dia mitondra fahoriana be sy latsa; ary voarodana ny mandan’ i Jerosalema sady nodoran’ ny afo ny vavahadiny.
Nehemiah 2:15Dia niakatra teo amin’ ny lohasahan-driaka aho tamin’ ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, dia niverina.
Nehemiah 3:13Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
Nehemiah 12:31Dia nasaiko niakatra eo ambonin’ ny manda ny mpanapaka ny Joda, ary nanendry mpanao fiderana roa tonta aho handeha milahatra tsara. Ny irai-dia nandeha tamin’ ny ankavanana teo ambonin’ ny manda ho amin’ ny vavahadin-jezika;