Bokin'i Nehemia 6:14
Ry Andriamanitro ô, tsarovy Tobia sy Sanbala araka izany asany izany mbamin’ i Noadia mpaminanivavy sy ny mpaminany sasany koa, izay nampitahotra ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:20Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Nehemiah 4:4Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.
Nehemiah 13:29Tsarovy ireo, ry Andriamanitro ô, noho ny nandotoany fisoronana, eny, ny faneken’ ny fisoronana sy ny Levita.
Psalms 36:11Ampahareto amin’ izay mahalala Anao ny famindram-ponao, ary ny fahamarinanao amin’ ny mahitsy fo.
Psalms 137:7Jehovah ô, tsarovy amin’ ny taranak’ i Edoma Ny andron’ i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin’ ny fanorenany.
Isaiah 9:14(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);