Bokin'ny Eksodosy 15:20
Ary Miriama mpaminanivavy, anabavin’ i Arona, dia nitondra ny ampongatapaka teny an-tànany; ary nivoaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra nitondra ampongatapaka sady nandihy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 15
Cross References
Exodus 2:4Ary ny anabaviny nijanona teny lavidavitra eny, mba hahita izay hatao aminy.
Numbers 12:2Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan’ i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren’ i Jehovah izany.
Numbers 26:59Ary ny anaran’ ny vadin’ i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin’ i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin’ i Amrama izy.
Judges 11:34Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
1 Samuel 10:5Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
2 Samuel 6:5Ary Davida sy ny taranak’ Isiraely rehetra nitsinjaka teo anatrehan’ i Jehovah tamin’ ny karazan’ ny zava-maneno rehetra natao tamin’ ny hazo kypreso, dia tamin’ ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny korintsana ary ny kipantsona.