Bokin'ny Nomery 12:3
Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
(Now the man Moses was very meek, above all the men which were upon the face of the earth.)
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 12
Cross References
Numbers 11:10Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin’ ny isam-pianakaviany, samy teo amin’ ny varavaran’ ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran’ i Jehovah; ary tsy sitrak’ i Mosesy koa izany.
Psalms 106:32Nampahatezitra an’ i Jehovah teo anilan’ ny ranon’ i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an’ i Mosesy noho ny nataon’ ireo;
Psalms 149:4Fa sitrak’ i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.
Matthew 11:29Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo.
2 Corinthians 10:1Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’ i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, fa sahy aminareo kosa, raha tsy eo.
2 Corinthians 12:11Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.