Bokin'ny Nomery 17:13
Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 17
Cross References
Genesis 3:3fa ny voan’ ny hazo eo afovoan’ ny saha kosa no efa nataon’ Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
Numbers 16:26Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
Numbers 25:8dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Deuteronomy 2:16Ary rehefa lany ritra ny mpanafika ka maty avokoa,
2 Samuel 6:6Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara.
1 Chronicles 13:11Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’ izany tany izany mandraka androany.