Bokin'ny Nomery 2:17
Dia handroso ny trano-lay fihaonana sy ny tobin’ ny Levita, eo afovoan’ ny toby rehetra; ka araka ny itobiany ihany no handrosoany, samy eo amin’ ny filaharany avy, araka ny fanevany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 1:50fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
Numbers 3:38Ary ny mitoby eo anoloan’ ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna, dia ny anjara-raharahan’ ny Zanak’ Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numbers 10:21Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
Colossians 2:5Fa na dia tsy manatrika anareo amin’ ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ ny finoanareo an’ i Kristy.