Bokin'ny Nomery 2:3
Ary ny hitoby eo amin’ ny lafiny atsinanana, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro, dia izay momba ny fanevan’ ny tobin’ i Joda, araka ny antokony; ary ny lohan’ ny taranak’ i Joda dia Nasona, zanak’ i Aminadaba;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4ary ny miaramilany izay nalamina dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina.
Cross References
Genesis 35:23Ary ny zanakalahin’ i Jakoba dia roa ambin’ ny folo mirahalahy: ny zanak’ i Lea dia Robena, lahimatoan’ i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona;
Numbers 1:5Ary izao no anaran’ ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin’ i Robena dia Elizora, zanak’ i Sedeora;
Numbers 7:12Ary ny nanatitra ny fanatiny tamin’ ny andro voalohany dia Nasona, zanak’ i Aminadaba, avy tamin’ ny firenen’ i Joda.
Numbers 10:5Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
Numbers 26:19Ny zanak’ i Joda dia Era sy Onana; kanefa Era sy Onana dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany.
Ruth 4:20ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona; ary Nasona niteraka an’ i Salmona;