Bokin'ny Nomery 20:2
Ary tsy nisy rano ho an’ ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin’ i Mosesy sy Arona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 20
Cross References
Exodus 16:2Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra,
Exodus 16:12Efa reko ny fimonomononan’ ny Zanak’ Isiraely, koa mitenena aminy hoe: Anio hariva dia hihinan-kena ianareo, ary rahampitso maraina kosa dia ho voky mofo ianareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Exodus 17:2Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an’ i Jehovah ianareo?
Numbers 14:2Dia nimonomonona tamin’ i Mosesy sy Arona ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin’ ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatỳ amin’ ity efitra ity!
Numbers 16:3koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?