Bokin'ny Nomery 22:32
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 22
Cross References
Exodus 3:2Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
Numbers 22:22Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
Numbers 22:35Fa hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka.
Deuteronomy 25:4Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary.
Psalms 145:9Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra.
Proverbs 14:2Mandeha mahitsy izay matahotra an’ i Jehovah; Fa mivily lalana kosa izay maniratsira Azy.