Bokin'ny Nomery 25:3
Dia niray tamin’ i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Israel joined himself unto Baal-peor: and the anger of the LORD was kindled against Israel.
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 25
Cross References
Numbers 25:5Dia hoy Mosesy tamin’ ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin’ i Bala-peora.
Deuteronomy 4:3Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
Judges 2:11Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely, fa nanompo ireo Bala
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
Psalms 90:11Iza no mahafantatra ny herin’ ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
Psalms 106:29Dia nampahatezitra an’ i Jehovah tamin’ ny nataony, Ka dia namely azy tampoka ny areti-mandringana.