The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 27 › Bokin'ny Nomery 27:13

Bokin'ny Nomery 27:13

Ary rehefa hitanao izany, dia hangonina any amin’ ny razanao koa ianao, tahaka izay nanangonana an’ i Arona rahalahinao;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And when thou hast seen it, thou also shalt be gathered unto thy people, as Aaron thy brother was gathered.

In Context

12Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.

14fa nandà ny teniko ianareo tany an-efitra Zina, tamin’ ilay nilan’ ny fiangonana ady, ka tsy nanamasina Ahy teo amin’ ny rano teo imasony. (Izany no ranon’ i Meriba any Kadesy any an-efitra Zina.)

Read all of Bokin'ny Nomery 27

Cross References

Genesis 25:8Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin’ ny razany izy.

Numbers 20:24Arona hangonina any amin’ ny razany; fa tsy hiditra any amin’ ny tany izay nomeko ny Zanak’ Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ ny ranon’ i Meriba ianareo.

Numbers 33:38Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin’ i Jehovah, dia maty tao izy tamin’ ny fahefa-polo taona taorian’ ny nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy.

Deuteronomy 31:14Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.

Deuteronomy 32:50Dia aoka ho faty ao amin’ ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin’ ny razanao, tahaka ny nahafatesan’ i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin’ ny razany,

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Nomery 27:13

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Nomery 27:12Bokin'ny Nomery 27Bokin'ny Nomery 27:14 →