Bokin'ny Nomery 3:36
Ary ny anjara-raharahan’ ny zanak’ i Merary dia ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37ary ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany ary ny kofehiny.
Cross References
Exodus 26:15Ary manaova zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely.
Exodus 26:37Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.
Exodus 35:11dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
Exodus 36:20Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely izy.
Exodus 38:17Ary ny faladian’ ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
Numbers 4:29Ny amin’ ny taranak’ i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;