Bokin'ny Nomery 32:22
ka ho resy eo anatrehan’ i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin’ i Jehovah, na amin’ ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 32
Cross References
Deuteronomy 3:12Ary io tany io dia azontsika tamin’ izany andro izany; hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, sy ny antsasaky ny tany havoan’ i Gileada ary ny tanàna eo dia nomeko ny Robenita sy ny Gadita.
Joshua 1:15mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana.
Joshua 10:30dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy mbamin’ ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko no nataony tamin’ ny mpanjakany koa.
Joshua 11:23Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Joshua 13:29Ary nomen’ i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen’ i Manase; ary izao no an’ ny antsasaky ny firenena taranak’ i Manase araka ny fokony:
Joshua 22:4Ary ankehitriny dia efa nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin’ ny lainareo avy, ho any amin’ ny taninareo, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo any an-dafin’ i Jordana.