Bokin'ny Nomery 4:18
Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ ny Kehatita tsy ho amin’ ny Levita:
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Cut ye not off the tribe of the families of the Kohathites from among the Levites:
In Context
17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Cross References
Exodus 19:21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’ i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.
Exodus 30:38Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Numbers 16:32eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
Numbers 18:5Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masìna sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak’ Isiraely intsony.
2 Samuel 6:6Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Nakona izy, dia naninjitra ny tanany tamin’ ny fiaran’ Andriamanitra Oza ka nihazona azy, satria nazeran’ ny omby ny fiara.