Bokin'ny Nomery 4:6
ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon’ ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin’ io, dia hataony eo aminy ny baony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 25:13Ary manaova bao hazo akasia, ka petaho takela-bolamena.
Exodus 39:1Ary tamin’ ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ary nanao ny fitafiana masìna ho an’ i Arona izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Numbers 4:7Ary hamelatra lamba, volon’ ondry manga eo ambonin’ ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
1 Kings 8:7fa nivelatra teo ambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.