Bokin'ny Nomery 8:7
Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Alao ny Levita avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, ka diovy izy.
Cross References
Exodus 19:10Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:
Leviticus 14:7Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
Leviticus 14:9Ary amin’ ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ ny rano, dia hadio izy.
Leviticus 15:10Ary izay rehetra mikasika izay zavatra teo ambaniny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra izany zavatra izany dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
Leviticus 16:28Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
Numbers 19:9Dia hangonin’ izay lehilahy madio anankiray ny lavenon’ ilay vantotr’ ombivavy ka hapetrany eo ivelan’ ny toby eo amin’ izay fitoerana madio anankiray, dia hotehirizina ho an’ ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely izany ho rano fanadiovana: fanatitra noho ny ota izany.