Proverbs 1:2
Hahalalana fahendrena sy fananarana, Ary hahafantarana ny tenin’ ny fahalalana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
To know wisdom and instruction; to perceive the words of understanding;
In Context
1Ny Ohabolan’ i Solomona, zanak’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely:
3Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
Cross References
Deuteronomy 4:5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Proverbs 2:9Ary amin’ izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.
Proverbs 4:5Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
Proverbs 8:5Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
Proverbs 16:16Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
Proverbs 19:20Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry ianao amin’ izay hiafaranao.