Bokin'ny Ohabolana 10:17
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He is in the way of life that keepeth instruction: but he that refuseth reproof erreth.
In Context
16Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.
18Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 10
Cross References
Proverbs 1:25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo:
Proverbs 3:1Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
Proverbs 4:4Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
Proverbs 5:12Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
Proverbs 6:23Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
Proverbs 15:10Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.