Bokin'ny Ohabolana 5:12
Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And say, How have I hated instruction, and my heart despised reproof;
In Context
11Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao;
Read all of Bokin'ny Ohabolana 5
Cross References
Genesis 19:9Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etỳ hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin’ ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an’ i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana.
2 Chronicles 24:20Ary Zakaria, zanak’ i Joiada mpisorona, notsindrian’ ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nitsangana teo amin’ ny avoavo teo anatrehan’ ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin’ i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an’ i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy.
2 Chronicles 33:10Ary Jehovah niteny tamin’ i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
Psalms 50:17Fa ianao mankahala fananarana, ary arianao eo ivohonao ny teniko.
Proverbs 1:7Ny fahatahorana an’ i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. Fananarana tsy hikambana amin’ ny mpanao ratsy.
Proverbs 1:25Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro ianareo: