Bokin'ny Ohabolana 10:25
Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
As the whirlwind passeth, so is the wicked no more: but the righteous is an everlasting foundation.
In Context
24Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 10
Cross References
Job 17:9Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
Job 21:18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin’ ny tafio-drivotra.
Psalms 15:5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.
Psalms 58:9Aoka ho tahaka ny lelosy izay mihalevona eny am-pandehanana izy; Aoka ho tahaka ny zaza-vakimanta izay tsy mahita masoandro izy.
Psalms 73:18Eo amin’ izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy.
Proverbs 1:27Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,