Bokin'ny Ohabolana 10:8
Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The wise in heart will receive commandments: but a prating fool shall fall.
In Context
7Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
9Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 10
Cross References
Psalms 119:34Omeo fahalalana aho mba hitandrina ny lalànao; Eny, hitandrina azy amin’ ny foko rehetra aho.
Proverbs 9:9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
Proverbs 12:1Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
Proverbs 13:3Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; Fa izay vavàna dia haringana.
Proverbs 14:23Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
Proverbs 18:7Ny vavan’ ny adala no fandringanana azy, Ary ny molony ihany no fandriky ny fanahiny.