Bokin'ny Ohabolana 12:6
Ny tenin’ ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-drà; Fa ny vavan’ ny marina hamonjy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan’ ny ratsy fanahy.
7Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; Fa ny mpianakavin’ ny marina haharitra.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 12
Cross References
2 Samuel 17:1Ary hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an’ i Davida anio alina;
Esther 7:4fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
Proverbs 14:3Eo am-bavan’ ny adala misy tsorakazon’ ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
Jeremiah 5:26Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
Acts 23:12Ary nony maraina dia niray tetika ny Jiosy ka niozona sy nianiana fa tsy hihinana na hisotro izy ambara-pamonony an’ i Paoly.
Acts 25:3ka nangataka azy hohelohina, mba hampanalainy hankany Jerosalema; fa nikasa hanotrika eny amoron-dalana izy hamonoany azy.