Bokin'ny Ohabolana 14:17
Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
He that is soon angry dealeth foolishly: and a man of wicked devices is hated.
In Context
18Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satro-boninahiny.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 14
Cross References
Esther 3:6Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay.
Proverbs 6:18Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
Proverbs 12:16Ny fahasosoran’ ny adala dia fantatra miaraka amin’ izay; Fa izay mahatsindry fo amin’ ny fanalam-baraka no hendry.
Proverbs 15:18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
Proverbs 20:3Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
Proverbs 29:22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.