Proverbs 15:6
Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In the house of the righteous is much treasure: but in the revenues of the wicked is trouble.
In Context
5Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
7Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
Cross References
Job 20:19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
Psalms 112:3Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
Proverbs 8:21Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
Proverbs 13:22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.
Proverbs 16:8Aleo ny kely omban’ ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin’ ny tsy rariny.
Ecclesiastes 4:6Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.