Bokin'ny Ohabolana 15:5
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A fool despiseth his father’s instruction: but he that regardeth reproof is prudent.
In Context
4Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
6Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 15
Cross References
2 Samuel 15:1Ary nony afaka izany, Absaloma dia nanomana kalesy iray sy soavaly ary olona dimam-polo lahy ho mpihazakazaka eo alohany.
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Psalms 141:5Aoka ny marina hamely ahy amin’ ny fahalemen-panahy ka hananatra ahy, Fa diloilo ahosotra ny lohako izany, ary aoka tsy handà izany ny lohako; Fa ny hany heriko dia ny mbola hivavaka ihany noho ny faharatsian’ ireny.
Proverbs 1:23Miverena ianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
Proverbs 10:1Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
Proverbs 13:18Fahalahelovana sy henatra no ho an’ izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.