Bokin'ny Ohabolana 22:16
Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an’ ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
Read all of Bokin'ny Ohabolana 22
Cross References
Job 20:19Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
Proverbs 14:31Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
Proverbs 28:3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.
Micah 2:2Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, Sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ ny ankohonany izy, Dia ny olona mbamin’ ny lovany.
Luke 6:33Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany.
Luke 16:24Ary izy niantso ka nanao hoe: Ry Abrahama raiko ô, mamindrà fo amiko, ka iraho Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ ny rantsan-tanany amin’ ny rano mba hampangatsiaka ny lelako; fa fadiranovana aho eto anatin’ ity lelafo ity.