Bokin'ny Ohabolana 23:24
Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
25Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 23
Cross References
1 Kings 1:48ka niteny hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely Izay nanome ny hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianako androany, sady hitan’ ny masoko koa izany.
1 Kings 2:9Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita.
Proverbs 15:20Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
Proverbs 27:11Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.
Ecclesiastes 2:19ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy no ho tompon’ izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ ny fahendreko tatỳ ambanin’ ny masoandro. Zava-poana koa izany.
Philemon 1:20Eny, ry rahalahy, aoka hanana fifaliana avy aminao ao amin’ ny Tompo aho; velombelomy ny foko ao amin’ i Kristy.