Bokin'ny Ohabolana 23:29
An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
30An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 23
Cross References
Genesis 49:12Mangamanga ny masony azon’ ny divay ary fotsy ny nifiny azon’ ny ronono.
2 Samuel 13:28Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
Proverbs 20:1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry.
Isaiah 5:11Lozan’ izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan’ ny andro ka ampirehetin’ ny divay!
Isaiah 28:7Nefa ireo koa dia miraingiraingy azon’ ny divay ary mivembena azon’ ny toaka; Ny mpisorona sy ny mpaminany miraingiraingy azon’ ny toaka; Resin’ ny divay ireo; Mivembena azon’ ny toaka izy; Miraingiraingy amin’ ny fahitana izy ary midoladola eo amin’ ny fitsarana.
Matthew 24:49ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo,