Bokin'ny Ohabolana 26:21
Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
As coals are to burning coals, and wood to fire; so is a contentious man to kindle strife.
In Context
22Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 26
Cross References
2 Samuel 20:1Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
1 Kings 12:20Ary rehefa ren’ ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin’ ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak’ i Davida afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
Proverbs 10:12Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
Proverbs 29:22Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.