Bokin'ny Ohabolana 29:26
Maro no mila sitraka amin’ ny mpanapaka; Fa avy amin’ i Jehovah ny fitsarana ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Many seek the ruler’s favour; but every man’s judgment cometh from the LORD.
In Context
25Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an’ i Jehovah no hovonjena.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 29
Cross References
Genesis 43:14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
Ezra 7:27Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
Esther 4:16Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Psalms 62:12Indray mandeha no nitenenan’ Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an’ Andriamanitra ny hery.
Proverbs 16:14Ny fahatezeran’ ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
Proverbs 19:6Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin’ izay mpanome zavatra.