Bokin'ny Ohabolana 4:12
Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
When thou goest, thy steps shall not be straitened; and when thou runnest, thou shalt not stumble.
In Context
11Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin’ ny lalana mahitsy aho.
13Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 4
Cross References
2 Samuel 22:37Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
Psalms 18:36Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Psalms 119:165Be fiadanana izay tia ny lalànao, Ary tsy misy mahatafintohina azy.
Proverbs 3:23Dia handroso aman-toky ianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
Proverbs 6:22Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
John 11:9Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao.