Bokin'ny Ohabolana 8:12
Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan’ ny fahalalako ny fisainana mazava.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I wisdom dwell with prudence, and find out knowledge of witty inventions.
In Context
11Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 8
Cross References
Exodus 31:3ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
1 Kings 7:14Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin’ ny firenen’ i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin’ i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
1 Chronicles 28:19Izany asa rehetra araka ny sary izany, hoy Davida, no nampahafantarin’ i Jehovah ahy tamin’ ny soratra avy tamin’ ny tànany, izay atỳ amiko.
Psalms 104:24Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
Isaiah 28:26Fa Andriamaniny no manoro azy izay mety hataony, Eny, Izy no mampianatra azy.
Romans 11:33Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!