Bokin'ny Salamo 102:2
Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Salamo 102
Cross References
Exodus 2:24Ary Andriamanitra nandre ny fitarainany, dia nahatsiaro ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
Job 34:29Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
Psalms 17:1Fivavak’ i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin’ ny fivavako avy amin’ ny molotra tsy misy fitaka.
Psalms 27:9Aza manafina ny tavanao amiko, aza mandroaka ny mpanomponao an-katezerana; efa famonjena ahy Hianao; aza manary na mahafoy ahy, ry Andriamanitry ny famonjena ahy.
Psalms 40:13Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
Psalms 70:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Ho fampahatsiarovana.